09/05/2026
Ahoana ny fomba ahafantarana fa double vente ny tany iray?
Ny “double vente” dia midika hoe tany iray amidy indroa amin’olona samihafa.
Izany hoe, mety efa nivarotra ilay tany tamin’olona iray ilay tompony, nefa mivarotra izany amin’olona hafa indray izy.
Mba hisorohana izany, ireto dingana sy fepetra manaraka ireto no tokony arahina, satria manampy ahafantarana mialoha raha tany efa nisy varotra hafa
ilay tiana hovidiana na tsia:
1– Mangataka ny taratasy ofisialin’ilay tany
Alohan’ny andraiketana ny varotra dia angataho amin’ilay mpivarotra ny:
● Titra (Duplicata) raha vita titra ilay tany, na kadasitra na karatany, izany
hoe zay porofo fananantany ananany .
● Certificat de Situation Juridique (CSJ) latsaky ny 3 volana ho an’ny tany vita titra, na Attestation de Propriété Certifiée (APC) ho an’ny tany vita karatany.
● Sarin-tany (plan topographique) voamarina.
� Raha tsy manome ireo taratasy ireo ilay mpivarotra, dia efa famantarana mampiahiahy izany.
2- Mangataka “Certificat de Situation Juridique” vaovao
Zava-dehibe ny mangataka CSJ vaovao avy any amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany (Domaine).
Izany taratasy izany no manamarina ny satan’ilay tany amin’izao fotoana izao, ka hita ao raha:
● Mbola eo ambanin’ny anaran’ilay olona mivarotra ilay tany,
● Efa misy fangatahana famindrana (mutation) mandeha,
● Na efa voasoratra amin’ny anaran’olona hafa mihitsy.
� Raha hita ao amin’ny CSJ vaovao fa efa misy mutation en cours na voasoratra amin’ny anaran’olona hafa ilay tany, dia midika fa efa nisy varotra natao teo aloha, izany no antsoina hoe fikasana hanao double vente.
3- Fanamarinana eny an-toerana
Aza miantehitra amin’ny taratasy fotsiny. Mankanesa eny amin’ilay tany miaraka amin’ny olona mahay mijery sarin-tany (géomètre na teknisianina). Izy no afaka manamarina raha:
● Mifanandrify amin’ny plan ilay tany aseho,
● Tsy misy fefy na famantarana mampiseho fa olona hafa no efa mitantana ilay tany.
� Raha misy olona hafa milaza ho tompony na efa monina eo, dia tokony ajanona avy hatrany ny raharaha mandra-pahazava ny zava-misy.
4-Fanadihadiana amin’ny manodidina sy amin’ny Kaominina
Ataovy fanadihadiana eny an-toerana amin’ny olona manodidina, mpifanolo-bodirindrina, na amin’ny Kaominina misy azy ilay tany. Matetika ny olona eny
an-tanàna no mahalala tsara raha efa nisy olona nividy ilay tany teo aloha, na raha misy ady amin’ilay tompony voalaza.
5- Fanamarinana amin’ny manampahefana ara-dalàna
Alohan’ny hanaovana sonia fifampivarotana dia ataovy eo anatrehan’ny Notera na Delegem-panjakana ilay fifanarahana. Izy ireo dia hanamarina indray amin’ny antontan-taratasy sy ny satan’ny tany raha azo amidy ara-dalàna ilay tany na tsia.
Ny fanaovana double vente dia heverina ho heloka, satria manitsakitsaka ny lalàna ary ahitana endrika hosoka sy fampiasana hosoka. Noho izany, raha
sendra toe-javatra toy izany, dia aza misalasala mitory na manao fitarainana eny amin’ny fitsaràna..
Raha tsapanao fa manampy ny fahafantaranao ny resaka fananantany ity fizarana ity dia aza fihinina ho anao irery fa aparitaho amin'ny manodidina
anao zay mety mila an'izany rehetra.
Immobilker
@ Isalo Immo™️