09/10/2026
🇲🇬 ⚖️ FITSARANA MANAKAIKY VAHOAKA, MAHOMBY ARY MANGARAHARA
Dingana ho fanatsarana ny kalitaon’ny asam-pitsarana sy fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka no tanteraka androany 09 oktobra 2026.
Efa Telo taona izay no nanao ny ezaka fanafainganana ny fitsarana ny raharaha sy fanatsarana ny fandraisana ireo mpisitraka ny sampan'asa ny Fitsarana misahana ny ady atao amin'ny Fanjakana eto Mahajanga.
Nohamafisina izany amin'izao andron'ny fanavaozana ny sehatry ny Fitsarana eto Madagasikara izao, ka nanao sonia ny 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻y tanjona hotratrarin'ny Ministeran'ny Fitsarana Malagasy ny Filohan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana Mahajanga sy ny Mpampanoa eo anivon’izany.
Ity fifanarahana ity dia mametraka vina sy andraikitra mazava mandritra ny 𝟮𝟰 𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮, mifantoka amin’ireto laharam-pahamehana ireto :
🔹 Fanafainganana ny raharaham-pitsarana sy fampihenana ny antontan-draharaha mbola miandry fitsarana.
🔹 Fanatsarana ny fandraisana sy fanoroana ny vahoaka, ary fanamorana ny fahazoana ny tolotra omen’ny Fitsarana.
🔹 Fanamafisana ny fahitsiana sy ny mangarahara, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny etika, ny fitsipi-pitondrantena ary ny fanaraha-maso anatiny.
🔹 Fanavaozana sy fampiasana ny teknolojia nomerika, ho fanamorana ny fomba fiasa sy ny fahazoana vaovao ara-pitsarana.
🔹 Fandraisana anjara amin’ny fanavaozana ny lalàna, indrindra amin’ny famolavolana ny Fehezan-dalàna vaovao momba ny Fitsarana administratifa.
📊 𝗧𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗮𝘇𝗼 𝗿𝗲𝗳𝗲𝘀𝗶𝗻𝗮, 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝘇𝗼 𝘁𝘀𝗮𝗽𝗮𝗶𝗻-𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮.
Ao anatin’ny enim-bolana voalohany, dia kendrena ny hampihenana ny antontan-draharaha miandry fitsarana, hanatsarana ny fandraisana ny vahoaka ary hanafainganana ny fikarakarana ireo raharaha saro-pady sy manan-danja ara-toekarena.
Ity fifanarahana ity dia maneho fanoloran-tena ho amin’ny Fitsarana mahomby, tompon’andraikitra ary mendrika ny fitokisan’ny vahoaka.
⚖️ Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana Mahajanga — Fitsarana manompo ny vahoaka, miasa ho amin’ny fahombiazana.
(FR) ⚖️ TRIBUNAL ADMINISTRATIF DE MAHAJANGA | UN ENGAGEMENT POUR UNE JUSTICE PLUS ACCESSIBLE, EFFICACE ET TRANSPARENTE
Une étape vers l'amélioration du service public de la Justice et le renforcement de la confiance des citoyens.
Depuis il y a trois ans, le Tribunal administratif de Mahajanga a déjà mis sur pied "un task force" afin d'accélérer le traitement des affaires et améliorer l’accueil des usagers de ce service public.
Cette initiative se raffermit davantage dans le cadre de la réforme du secteur de la Justice à Madagascar pilotée par le Ministre de la Justice. C'est ainsi que le Président du Tribunal administratif de Mahajanga et le Commissaire Administratif près cette juridiction ont procédé ce jour à la signature du 𝗰𝗼𝗻𝘁𝗿𝗮𝘁 𝗱’𝗼𝗯𝗷𝗲𝗰𝘁𝗶𝗳𝘀 avec le Ministère de la Justice.
Cet engagement, établi pour une durée de 24 mois, s’articule autour de cinq axes prioritaires :
🔹 L’amélioration de l’efficacité judiciaire, par l’accélération du traitement des affaires et la réduction du stock de dossiers en instance.
🔹 Le renforcement de l’accès à la justice, grâce à un meilleur accueil des justiciables, une information accessible et des procédures simplifiées.
🔹 La promotion de l’intégrité et de la transparence, à travers le renforcement de l’éthique, de la déontologie et des mécanismes de contrôle interne.
🔹 La modernisation et la transition numérique, par la dématérialisation progressive des procédures et le développement des services judiciaires en ligne.
🔹 La contribution aux réformes de la justice administrative, notamment à l’élaboration du futur Code de justice administrative.
📊 𝗗𝗲𝘀 𝗲𝗻𝗴𝗮𝗴𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁𝘀 𝗺𝗲𝘀𝘂𝗿𝗮𝗯𝗹𝗲𝘀, 𝗱𝗲𝘀 𝗿𝗲́𝘀𝘂𝗹𝘁𝗮𝘁𝘀 𝗮𝘁𝘁𝗲𝗻𝗱𝘂𝘀.
Dès les six premiers mois, les efforts porteront prioritairement sur la réduction des affaires en instance, l’amélioration de l’accueil des justiciables et l’accélération du traitement des dossiers sensibles et à fort impact économique.
Au-delà d’une signature, ce contrat traduit une volonté commune de bâtir une justice plus performante, responsable et digne de la confiance des citoyens.
⚖ Tribunal administratif de Mahajanga — Une justice au service du citoyen, engagée dans la culture du résultat.