Juris Prestations

Juris Prestations Consultation juridique (pénal, commercial, foncier, divorce, social,…), accompagnement, montage de dossiers et rédactions d'actes juridiques.

~ Ny fanofana trano na « bail commercial » ~
08/01/2025

~ Ny fanofana trano na « bail commercial » ~

⚖️ Fantatrao ve fa misy ireo antontan-taratasy hafantarana fa tena tompon’ny tany tokoa ny olona anakiray na maromaro? 1...
11/12/2024

⚖️ Fantatrao ve fa misy ireo antontan-taratasy hafantarana fa tena tompon’ny tany tokoa ny olona anakiray na maromaro?
1. Raha Propriété Privée Titrée ilay tany dia na izy manana « Titre » na izy manana « Kadasitra »
• Raha « Titre » dia ireto avy ny antontan-taratasy tsara jerena : Certificat de Situation Juridique (CSJ), Plan ary bokin’ny titre.
• Raha « Kadasitra » kosa indray dia ny : Certificat de Situation Juridique (CSJ), Plan ary bokin’ny kadasitra.
2. Raha Propriété Privée non Titrée kosa indray ilay tany dia ilaina ny « Certificat foncier na Kara-tany ».
• Amin’izany dia ireto avy ny antontan-taratasy tsara jerena : Attestation de propriété ary ny Plan.
⚖️ Koa alohan’ny hividianana tany iray ary dia ilaina no mahafantatra ireo antontan-taratasy ireo mba hialana sy hisoroana ny olana.

— Izahay ato @ Juris Prestations dia afaka manampy anao @ izany koa aza misalasala ary manantona anay fa vonona izahay handray anao —

22/11/2024

⚖️ Fantatrao ve fa amin’ny resaka :
• ady madio (affaire civile) toy ny amin’ny fisaraham-panambadiana, ny adi-tany ;
• ady ara-barotra (affaire commerciale) ;
• ary amin’ny adin'asa (affaire sociale) eny anivon'ny fitsarana dia ny « fehiteny » (conclusions) no entina hifamaliana amin'ireo raharaha ireo.
— Izahay ato amin'ny Juris Prestations dia afaka manoro hevitra sy manao ny fehiteninareo amin'ny ady isan-karazany izay hatrehanareo —

⚖️Koa aza misalasala ary manantona anay fa vonona handray sy hanampy anao amin’izany izahay.

⚖️ Inona no atao hoe fandovana ?Ny fandovana dia fifindran’ny fananana navelan’ny maty any amin’ny mpandova azy.⚖️Misy k...
11/11/2024

⚖️ Inona no atao hoe fandovana ?
Ny fandovana dia fifindran’ny fananana navelan’ny maty any amin’ny mpandova azy.

⚖️Misy karazany firy ny fandovana?
Misy karazany roa ny fandovana :
• Ny fandovana avy amin’ny lalàna raha tsy misy didim-pananana ;
• ary ny fandovana amin’ny alalan’ny didim-pananana.

⚖️Inona avy ireo fepetra takiana amin’ny fandovana ?
• Tsy maintsy misy ianao amin’ny fotoana fisokafan’ny fandovana ;
• tsy voambara ho tsy mendrika ny handova ;
• tsy nohesorina ho isan’ireo manana zo handova ;
• ary tsy nahilikin’ny maty ho isan’ny mpandova azy.

30/10/2024

⚖️ Inona no atao hoe kara-tany na « Certificat foncier »?
Ny kara-tany na « Certificat foncier » dia porofon’ny zon’ny tompony, no sady fankatoavana ny zo fitompoan’ny olon-tsotra ny tany tsy vita titra izay efa nisy.

⚖️Fantaro fa azon’ny tompon’ny kara-tany atao ny mangataka ny fanovana izany ho bokin-tany na « Titre foncier » fa misy kosa ny fepetra izay tsy maintsy arahina.
• Fepetra : Ny fanovana ny kara-tany ho bokin-tany dia tsy azo atao raha tsy aorian’ny fametrahana tsato-bato na « bornage » amin’ny sombin-tany, anton’ny fangatahana, arakin’ny voalazan’ny lalàna sy didy amam-pitsipika manan-kery, ary aorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana tena raikitra raha mbola misy fifanolanana mahakasika izany sombin-tany izany eny anivon’ny fitsarana.

Fantaro fa ny fandroahana ao amin’ny orinasa (licenciement), izay tsy maintsy ampandrenesina an-tsoratra, dia manome zo ...
28/10/2024

Fantaro fa ny fandroahana ao amin’ny orinasa (licenciement), izay tsy maintsy ampandrenesina an-tsoratra, dia manome zo ny mpiasa: « ny amin’ny fifandanjan’ny karama (solde du salaire) amin’ny andro iaingana amin’ny orinasa; onitra noho ny fialan-tsasatra (indemnité compensatrice de congé) tsy noraisina talohan'ny fahatapahan’ny asa; kajy mifanaraka amin'ny fepetra manan-kery (préavis calculé conformément aux dispositions en vigueur) afa-tsy raha misy ny fahadisoana lehibe (faute lourde) ary ny fahazoana taratasy fanamarinana asa (certificat de travail) avy amin’ny mpampiasa ».

Fantaro fa 48 ora na 2 andro ihany ny fe-potoana fanaovana andrimaso (Garde à vue) ataon’ireo mpiandraikitry ny fikaroha...
23/10/2024

Fantaro fa 48 ora na 2 andro ihany ny fe-potoana fanaovana andrimaso (Garde à vue) ataon’ireo mpiandraikitry ny fikarohana fandika-ndalàna. Rehefa dila kosa io fe-potoana io dia tsy maintsy havotsotra ilay olona ahiahiana, na ho entina manoloana ny mpitsara ao amin’ny fampanoavana.

Adidin’ny mpivady no miara-mipetraka saingy manana zo hisintaka kosa ny vehivavy rehefa mahatsapa fa voahitsakitsaka ny ...
14/10/2024

Adidin’ny mpivady no miara-mipetraka saingy manana zo hisintaka kosa ny vehivavy rehefa mahatsapa fa voahitsakitsaka ny adidy sy andraikitra vokatry ny fanambadiana izay : « ny fifampitokisana, ny fifamonjena, ny fifanampiana ary ny fifanajana » ka mety hitarika ny fangatahana ny fisaraham-panambadiana.

𝐁𝐞𝐬𝐨𝐢𝐧 𝐝𝐞 𝐜𝐨𝐧𝐬𝐞𝐢𝐥𝐬 𝐣𝐮𝐫𝐢𝐝𝐢𝐪𝐮𝐞𝐬 𝐜𝐥𝐚𝐢𝐫𝐬 𝐞𝐭 𝐩𝐞𝐫𝐬𝐨𝐧𝐧𝐚𝐥𝐢𝐬𝐞́𝐬 ? ⚖️Bienvenue dans notre espace dédié à l’𝐚𝐜𝐜𝐨𝐦𝐩𝐚𝐠𝐧𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐣𝐮𝐫𝐢𝐝𝐢𝐪𝐮...
11/10/2024

𝐁𝐞𝐬𝐨𝐢𝐧 𝐝𝐞 𝐜𝐨𝐧𝐬𝐞𝐢𝐥𝐬 𝐣𝐮𝐫𝐢𝐝𝐢𝐪𝐮𝐞𝐬 𝐜𝐥𝐚𝐢𝐫𝐬 𝐞𝐭 𝐩𝐞𝐫𝐬𝐨𝐧𝐧𝐚𝐥𝐢𝐬𝐞́𝐬 ? ⚖️

Bienvenue dans notre espace dédié à l’𝐚𝐜𝐜𝐨𝐦𝐩𝐚𝐠𝐧𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐣𝐮𝐫𝐢𝐝𝐢𝐪𝐮𝐞, où chaque question trouve une réponse et chaque besoin, une solution ! 🧑‍⚖️👩‍⚖️ Que vous ayez des préoccupations d’ordre personnel ou professionnel, notre équipe d'experts est à votre écoute pour vous guider à travers les complexités du droit.

🔍 𝐃𝐞́𝐜𝐨𝐮𝐯𝐫𝐞𝐳 𝐧𝐨𝐬 𝐬𝐞𝐫𝐯𝐢𝐜𝐞𝐬 𝐝𝐞̀𝐬 𝐦𝐚𝐢𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚𝐧𝐭 𝐞𝐭 𝐨𝐛𝐭𝐞𝐧𝐞𝐳 𝐥’𝐚𝐜𝐜𝐨𝐦𝐩𝐚𝐠𝐧𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐝𝐨𝐧𝐭 𝐯𝐨𝐮𝐬 𝐚𝐯𝐞𝐳 𝐛𝐞𝐬𝐨𝐢𝐧 !

👉 Pour toutes questions ou demandes spécifiques, contactez-nous directement via Messenger ou appel téléphonique. Merci pour votre confiance, et à très bientôt dans notre communauté ! 👋🔜

Address

Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:30
Tuesday 08:00 - 16:30
Wednesday 08:00 - 16:30
Thursday 08:00 - 16:30
Friday 08:00 - 16:30

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Juris Prestations posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category