L'évolution de l'être na fisandratan'ny maha-olona

L'évolution de l'être na fisandratan'ny maha-olona Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from L'évolution de l'être na fisandratan'ny maha-olona, Legal, Antananarivo.

24/05/2023

NY FIAINANA

Ny fiainana dia tsy manam-pahataperana na sans limite.
Rehefa namorona antsika Andriamanitra dia nisy corps physique, corps etherique ary ny corps spirituel izay misy ny fanahy. Raha ny tena marina dia âme no singa avy mpahary ary ao anatin'ny âme no misy ny fanahy. Io no tsy mety maty satria matière speciale avy io. Io no fototry ny fiainana.
Isika dia niaina talohan'ny tonga teto nanao incarnation ary mbola hiaina koa rehefa aorian'ny fiainana eto.
Ny antony hanaovantsika incarnation eto ambony tany dia hikatsaka experience mba hivoatra. Ny âme dia tsy misy sexe saingy miankina katsahany no hidirany lahy na vavy.
Ny âme dia manao contrat mialohan'ny hidirana kely. Ny âme no manetsika ny lahy sy vavy mba hanao firaisaina ara-nofo mba ahatanteraka ny conception. Izany no mahatonga ny olon-droa na mitandrina toy ny ahoana aza hisakanana mba tsy ho bevohoka dia bevohoka foana raha toa ka efa vita sonia ny contrat hidinan'ilay âme hanao incarnation zaza. Misy koa anefa mitady zaza fatratra dia mety tsy ahazo aloha satria tsy mbola misy âme vonona hanao incarnation avy .
Ny univers dia midadasika ary maro ny planetes ka azo hanaovana incarnation daoly izy rehetra saingy miankina spirituel sy ny mission ho atao no mamaritra ny incarnation. Ny niveau spirituel dia faritana parametres maro toy ny évolution na capacité d'amour, taux vibratoire d'énergie sns. Mifanaraka manko ny astral hivantanan'ny âme tsirairay rehefa miala na ilay lazaina hoe fiainana aorian'ny fahafatesana. Tsy hoe mandrakizay akory io fa vie entre vie ihany.
Mbola hitohy...

17/05/2023

NY MPAHARY

Salama daoly isika mpanaraka ny page

Ny zavaboahary rehetra dia energie na hery avokoa fa ny fréquence vibratoire no mampiavaka. Ny Mpahary dia hery lehibe tsy manampetra satria dia misy azy ny toerana rehetra rehetra. Izy no omnipresent, omniconscient. Tsy faritan'ny espace/temps izy ka tsy voafetran'ny fotoana sy toerana ny fiasany sy ny zavatra ataony. Izay no nahatonga ny Ntaolo malagasy nilaza hoe ;"Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra antampon'ny loha".Ny olombelona dia noforonina vatana saina fanahy na corps physique, âme, esprit. Ny fiasan'ireo dia 'ny plan: plan physique sy plan astral izay faritan'ny spiritualité.
Araka ny efa voalaza tany aloha dia nanao incarnation t@zavatra maro isika taloha: tao anaty rano, tao na plante, tao ary sapien ankehitriny. Raha ny corps physique dia mitovitovy ihany saingy ny âme sy fanahy no mampiavaka antsika. Ao anatin'ilay âme no misy ny fanahy. Ary ao fanahy no misy ilay silak'ilay Mpahary izay mitovy endrika aminy satria avy taminy no nivoahany. Araka izany dia somary ambony kokoa isika satria manana io silak'ilay mpahary io ao amintsika. Noho izany dia afaka miasa toy ny Mpahary antsika isika saingy tena mila mifandray vao tena activé izany rehetra izany. Ny Mpahary araka ny voalaza teo dia energie, fitambarana energie matanjaka sy lehibe. Miseho ny Mpahary 'ireo zavaboahary noforoniny. Araka izany dia tokony ho hajaintsika ny zavaboahary rehetra manodidina antsika ka tokony hanaja ny lois de nature isika olombelona
Mila hitiavina sy hajaina ny nature satria namantsika. Raha mahay mitia ny olombelona sy ny zavaboahary rehetra isika dia mankato ny Mpahary ary afaka mifandray mivantana aminy. Mampitombo ny energie vibratoire ny fifandraisantsika amin'ny zavaboahary indrindra moa fa ny zavamaniry. Ary ho mora amintsika ny mamoha ilay silany ao anatintsika.

Mirary fahasoavana avy hoantsika rehetra🙏

14/05/2023

NY OLOMBELONA

Faly miarahaba antsika!

Ny olombelona dia efa nisy antapitrisa taona lasa. Nandalo évolution maro vao tonga ankehitriny.
Ny tena olona manko dia ilay âme, ny fanahintsika fa tsy tsy corps physique akory. Izany no nahatonga ny Ntaolo Malagasy niteny hoe: "Ny fanahy no olona".
Tsy nanonomboka t@Adama sy Eva akory vao nisy ny fiainana sy ny olombelona fa ry Adama sy Eva no nanomboka ny ère na civilisation vaovao t@zany. Taorian'izany dia nisy civilisation hafa maromaro izay arahana génération maro hafa koa ankehitriny.
Ny fanahy dia même nature na même famille satria iray ihany no fototra na source dia tsy iza fa ilay mpahary na Dieu.
Mpirahalahy na mpirahavavy daoly araka izany ny fanahy.
Nalefa ny fanahy mba hikatsaka experience ary mandalo incarnation maro: voalohany: nanao incarnation tao anaty rano na hazandrano, avy teo tao anaty zavamaniry na plante, vita izay dia tao anaty biby ary farany vao niditra tao anaty endrika hitantsika ankehitriny zao izay lazain'ireo historiens hoe "homme sapien".
Raha manao incarnation aty ambony tany izany ny fanahy dia mpihavana na mpirahalahy sy mpirahavavy daoly ka tsy tokony hifanao ratsy.
Ny fanahy dia natao hivoatra na hi s'évoluer ka hamoa voa tsara tahaka ilay nolazain'i Jesus de Nazareth hoe mila mamoa voa tsara fa raha tsy izay dia kapaina alefa any na helo.
Ny heviny dia izao: mila mahay mitia, mila feno fitiavana ny olona, mila mitia tsy misy tambiny fa raha tsy izay dia tsy maintsy maty ka miverina manao incarnation indray mba hianatra hitia(tsy afa-panadinana:redoublant, triplant, quadriplant sns).
Izay no nampianaran'i Jesus de Nazareth hoe tiavo ny fahavalonao. Fahavalo no famaritantsika ny olona manao ratsy amintsika kanefa havantsika ireny raha ny tena marina.
Tsy misy ny helo arabakiteny na afobe fa famerenan no misy raha toa ka tsy afa-panadinana. Ny incarnation dia faritana paramètres maro toy ny hoe: frequence vibratoire de l'amour, niveau de conscience d'âme, taux de karma sns. Tsy afaka hijanona superieur ny fanahy iray raha ambany ny niveau tratrany nandritra ny incarnation iray nataony. Rehefa niakatra kosa anefa ny niveau vitany dia miakatra ambony kokoa izy ary ambony vibration na niveau ambony kokoa no hanaovany incarnation manaraka.

Mirary soa hatrany tompoko ary araho tsy tapaka ny pejy.

Salama tompoko.❓Ny fanontaniana rehetra mipetraka dia ilana valiny avokoa raha te hivoatra isika. Raha tamiko manokana d...
10/05/2023

Salama tompoko.

❓Ny fanontaniana rehetra mipetraka dia ilana valiny avokoa raha te hivoatra isika. Raha tamiko manokana dia nihezaka aho nandalina karazam-pivavahana maro mba hitadiavana vahaolana sy valim-panontaniana saingy tsy nahitako valiny nahafa-po ka nahatsiaro reraka ihany aho.
⛔Amin'ireo mpitondra fivavahana isankarazany anefa dia tsotra ny valiny rehefa tsy manan-kolazaina izy manoloana toe-javatra iray ka valiany hoe : "Andriamanitra irery ihany no mahalala izany, tsy takatry ny saintsika olombelona izany. Na koa hoe: "izay no sitrapon'Andriamanitra, isika dia halahatra fa tsy mpandahatra tsy akory".
❌Maro eto ambony tany no mora resy lahatra ka manaiky valin-teny toy izany. Saingy tsy nanaiky izany aho fa valiny mahafa-po no tadiavina.
✅Mba hanombohantsika azy ary dia 'ndao hamaly fanontaniana mikasika ny olombelona isika toy ny hoe: "Iza aho ary nahoana aho no misy eto antany?
Efa toy izao endriko izao ve aho sa avy tamin'ny biby toy ny rajako taloha no nivoatra? Niaina ve aho talohan'ny tonga teto an-tany sa teraka teto vao nanomboka niaina?
👉Hamaly fanontaniana maro isika fa araho tsy tapaka ny page.

09/05/2023

FIFOHAZAM-PANAHY NA EVEIL SPIRITUEL

Salama tompoko
Ny découverte ara-tsiansa na ara-panahy rehetra dia niainga avy daoly. Ny philosophe malaza aza dia manana formule mihitsy fanontaniana.
Ny fametrahana fanontaniana manko no manambara fa liana ilay olona ka manomboka eo ny fikarohana.
Raha ara-panahy dia misy ifandraisany raha te hamantatra ny maha-olona. Ohatra: Qui suis-je? Pourquoi je vis ici? Pourquoi j'existe? Pourquoi existent les autres? Que faisons nous ici? D'où venons-nous? Y a-t-il quelque chose après la mort?
Santionany manitikitika ireo raha manomboka mifoha ny olona.Raha manomboka mametraka fanontaniana ny olona iray dia te hivoatra izy izay. Mbola maro dia maro ny fanontaniana tokony hapetraka.
Raha tamiko manokana dia an-jatony ny fanontaniana nibosesika tao andohako. Ohatra hoe: iza marina aho? Nahoana aho no mijaly? Nahoana aho no sahirana vao mahazo fahombiazana? Nahoana aho no mahantra? Nahoana no tsy misy mandaitra amiko ny vaha olana rehetra haroson'olona amiko? Nahoana no tsy mitovy chance ny olona? Nahoana Andriamanitra no manavakavaka? Tena misy tokoa ve Andriamanitra? Nahoana no maro be ny karazana fivavahana?
Tena tsy voatanisa ny fanontaniana nanitikitika ny saiko.
Ianao koa ve mba manana fanontaniana tiana ahitana valiny?
Raha eny, dia manasa anao hanaraka ny pejy fa hanomboka ny fizarana ara-panahy atao eto.
Samia ho feno fahasoavana daoly.

07/05/2023

Fanamarihana

Salama tompoko.
Tsy hoe hanome lesona akory ny eto fa fizarana fahalalana kely izay mba hananana ihany.
Araka ilay teny hoe "aoka izay nahazo maimaimpoana mba hizara maimaimpoana".
Ary tsy hoe tsy maintsy marina sy heken'ny saina akory fa fizarana ihany ka ataovy toy ny voankazo an'ala ka izay mamy atelina fa ny mangidy kosa aloavy.
Toy ilay tenin'ilay mpanoratra malagasy IPA hoe: "Tsatokazo manondro eo an-tsapanan-dalana ity, tsy hisakana anao tsy handoso, fa mihazona anao kely hieritreritra"
Izahay mizara izay bolitika kely hanananay, olona tsotra tsy ahoana tsy akory izahay fa mba te hizara tsy misy tambiny.
Zarao ato ihany koa izay mahasoa ara-panahy mba ho tombontsoan'ny mpiarabelona.

Efa hanomboka ny fizarana ka taomy ny olona rehetra hanaraka ny page.

Mirary alahady finaritra daoly❤


06/05/2023

FANAZAVANA NY PAGE

Faly miarahaba antsika rehetra tompoko.
Ity page ity dia natao izarana maimaimpoana ny zavatra ara-panahy sy fitaizaina ny maha-olona.
Ny tanjona dia mba ahatonga antsika hiaina ny maha-fanahy antsika, hivoatra sy ho sambatra.
Ny moyen hanatratrarana izany dia ny fianarana ny fitiavana, fizarana ny fitiavana tsy manam-petra.
Ilaina anefa ny fahalalana ny zavatra rehetra mba ahatonga antsika hitombina tsara rehetra ataontsika. Araka izany dia hizara fahalalana maro isika mba hizorantsika ny lalana mankany tsaratsara kokoa ka ahafahantsika hifehy ny zavatra rehetra.

Misaotra anao manaraka ity page ity ary mirary soa hatrany.


Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when L'évolution de l'être na fisandratan'ny maha-olona posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category