BØÑĄ FĪĐE

BØÑĄ FĪĐE 🇲WHEN JESUS SAY YES NOBODY CAN SAY NO🇬

02/06/2023

ANATRY NY NTAOLO 🇲🇬
Fitandremana ny vava❌

Tsy mety raha manao tantanan-droa lela ny olombelona,sady miteny soa no miteny ratsy.Fa ratsy anie, lehiretsy,raha manao toy ny lelomby ka hilelaka ny trafo,izy ihany,hihaotra ny tongony,izy ihany hiditra any an'orona mahay,hitsofoka am-bava mahay.

Tandremo ny vava,lehiretsy,fa ny vava anie no efitra;ny vava anie tahaka ny vorodamba:mitriatra atsy,mitriatra aroa;ny vava anie Alakaosy,ka raha ts manoto olona,manoto tena.Fa ny vava soa anie sakafo,ary ny teny ratsy adidy.Ny vava anie tahaka ny salaka,ka ny tompony ihany no afatony.Fa ts misy melo-batana,fa izay melo-bava no melo-batana.Fa ny vava tsy ambina no ahitan-doza,ary izay manta vava no manambara ny afenina;ka izay ataon'ny vava no maningotra ny vozona.Tandremo,lehiretsy,ny vava,ka manaova soa,fa izany na tsara miafara.Fa raha manao soa tanora,misy hoenti-miantitra,misy hoenti-maty;ka izany no anaovan'ny olona hoe:< Manaova soa mba ts hohadinoina, na dia lo aza >.Fa ny soa atao no orim-bato,ary ny soa atao no vatsy zairina.☺

🇲🇬

02/06/2023

Miarahaba anareo ny tenako🤗
Noforoniko ity page ity mba hifampizarantsika fahalalana sy ny zava-misy ary ny zavatra marina sy ny tantaran Ntaolo🥰
Ny maha-gasy antsika sy ny maro hafa🫠
Koa manasa antsika rehetra mba hitsidika ny page sy I-invité ireo namantsika ❤‍🔥
Ahitana karazana motivation mba ahafahantsika mandroso foana eo sy tsy ilavo lefona🫶🏻💪🏻
🇲🇬

Address

Andohanimandroseza
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when BØÑĄ FĪĐE posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category