07/03/2026
📍Ny fahazoana VISA amerikana dia tsy antoka amin'ny fidirana ao Etazonia. Ny faharetan’ny fijanonanao sy ny fepetra mifehy ny fidiranao dia faritan’ny manampahefana misahana ny fifindra-monina eny amin’ny seranan-tsambo na seranam-piaramanidina idirana ao Etazonia.
Raha mijanona mihoatra ny fe-potoana voafaritra na manao asa tsy nahazoana alalana araka ny sokajin'ny VISA anananao ianao, dia mety hitarika amin'ny tsy fahazoanao mivahiny any Etazonia intsony izany amin’ny ho avy.
Adidinao ny mampiasa ny VISA-nao araka ny tokony ho izy sy manaraka ny fepetra mifehy azy.
---
📍A U.S. visa does not guarantee entry into the United States. The duration and conditions of your entry are determined by an immigration officer at a U.S. port-of-entry. If you remain in the United States beyond your authorized period of stay or engage in activities not permitted under your visa category, you could face a permanent ban on traveling to the United States in the future. It is your responsibility to use your visa correctly.