05/08/2026
📚 INONA NO ATAO HOE PENSION ALIMENTAIRE? ⚖️
Ny pension alimentaire dia vola aloa tsy tapaka ataon'ny olona iray mba hanampiana amin'ny fikojakojana sy ny filàn'ny olona iray hafa izay miankina aminy araka ny lalàna.
👶 Ohatra: Rehefa misaraka ny ray aman-dreny, dia mety hanapa-kevitra ny fitsarana fa ny ray na ny reny tsy miara-monina amin'ny zaza dia handoa pension alimentaire isam-bolana ho an'ny zanany.
💰 Inona no rakofiny? ✔️ Sakafo ✔️ Fitafiana ✔️ Fianarana ✔️ Fitsaboana ✔️ Filàna andavanandro ilaina amin'ny fiainan'ilay zaza
⚖️ Zava-dehibe: Ny pension alimentaire dia adidy ara-dalàna, fa tsy fanomezana an-tsitrapo. Ny vola aloa dia miankina amin'ny filàn'ilay zaza sy ny fahafahan'ilay olona mandoa.
🎓 Juris Campus Mada Mianara lalàna amin'ny fomba tsotra sy mora takarina.