28/02/2026
VARAVARANA MISOKATRA – Prescription Acquisitive (PA)
Tanteraka ny alakamisy 26 febroary teo, teny amin’ny Birao Iombonan’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany, Antananarivo Avaradrano (Alasora), ny hetsika Varavarana Misokatra ho an’Antananarivo Renivohitra, Avaradrano ary Atsimondrano.
📌 Lohahevitra: Fahalalà na Paikandro Manome Zo (Prescription Acquisitive – PA)
Nosokafan’ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharahan’ny Raharahan-tany ny hetsika ary nohotronin’ny Talen'ny Fandrefesantany sy ireo tompon’andraikitra ambony avy eo amin'ny DGSF ary ny lehiben’ny Distrika Antananarivo Avaradrano izany varavarana misokatra izany.
Ireo teboka nisongadina:
✅ Nampahafantarina fa mitohy sy azo tanterahina indray ny PA, na eo anivon’ny Sampandraharahan'ny Fananantany sy Fandrefesantany na eny amin’ny Fitsarana.
âś… Nohatsaraina ny dingana arahina ary napetraka ny fepetra hisorohana ny fihoaram-pefy.
âś… Nisy fanazavana sy fandraisana fitarainana ho fanatsarana hatrany ny tolotra sy ny fangaraharana.
🔎 Tsiahivina fa nisy fiatoana nanomboka Desambra 2024 ny fikarakarana raharaha mifandraika amin’ny PA, mba hampitoviana ny fomba fiasa manerana ny Nosy.
đź“‚ Inona marina ny atao hoe PA?
👉Ny PA dia atao amin’ny :
Tanin’olontsotra vita titra na kadasitra, saingy niala teo amin’ny tany ny tompony ary efa nisy fanajariana nandritry ny 20taona ary voaporofo izany.
Mila atao ny saritany ary atao hita ao ireo fanamaintisa-molaly nandritra ny 20 taona.
🎯 Tanjon’ny hetsika: hanamafisana ny fahalalan’ny vahoaka ny zony amin’ny fananan-tany sy hamporisihana azy hanaraka akaiky ny antontan-taratasiny.
Ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany (MATSF) moa dia mikendry hatrany ny hanamora ny fahazoan’ny Malagasy ny tany, ka manohy tsy an-kijanona ny ezaka fanatsarana ny tolotra omen’ny sampandraharaha ary ny fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka ny rafitra fitantanana ny raharahan-tany.
Marihina fa natao isaky ny faritra izao hetsika varavarana misokatra izao mba ho fizarana fahalalana sy fampianarana ho an'ny rehetra. ( Source DGSF)